Suicide juvénile: attention, elle est en augmentation!

Fanairana noho ny fitomboan’ny famonoan-tena ataon’ny tanora tato ho ato

Tsikaritray tato ho ato fa mitombo ny isan’ireo tanora mamono tena. Tato anatin’ny iray volana fotsiny dia nisy tranga 15 no voaisa tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao nataon’ireo tambajotra mpandinika eny amin’ny faritra, ary koa tamin’ny tamba-jotran-tserasera fesiboky.

Nanaitra fa ankoatry ny resa-pitiavana faheno, dia anisan’ny mitarika famoizam-po ho an’ny tanora ny tsindry ataon’ny mpiaramonina- ohatra hoe lazaina fa tsy lehilahy raha tsy mandray zava-mahadomelina, misy koa ny latsalatsa ataon’ny raiamandreny na olona akaiky-  anefa anisan’ny hita mampirongatra ny famonoan-tena ihany koa ireo.

Antony iray hafa ny ara-toe-karena : nanaitra fa anisan’ny nitarika famonoan-tena ny fahatsapàn’ny tanora ny fahasarotam-piainana atrehin’ny fianakaviany. Mahatsiaro ho tsy afa-manoatra ny sasany manoloana izany toe-javatra izany ka hany hery mandao ny tany.

Manomboka miala amin’ny fiarahamonina, toy ny namana na sampana na vondrona misy azy, matetika miresaka olana sy hakiviana, ireo no matetika fambara. Misy koa anefa tsy hita soritra mihitsy, saingy azo antoka fa misafidy olona amborahana ny olana sy hizarana fahaketrahana izy ireo.

Ny tsy fahampian’ny fifandraisana sy fakan-kevitra, afa-tsy ny an-jotra ( virtuel), izay izy samy tanora tsy ampy traik’efa, na koa samy manana olana no mifanolo-kevitra ao.

Manoloana izany dia antso no antefanay Observatoire de la Jeunesse amin’ny rehetra izay afaka mandray fepetra hisorohana io tranga ratsy eo amin’ny tanora io. Anisan’ny tolo-kevitray ny fametrahana  sehatra fihainoana ny tanora, hifampizaràny ny alahelo sy olana atrehany. Eo koa ny fanampiana ireo fianakaviany ara-pivelomana sy ara-entimanana hampivelarany ny taranany, satria ny fianakaviana no noheverin’ny tanora ho andry lehibe fianteherany. Raha vao mahatsapa faharefoana amin’io andry io izy ireo dia mety ho very hevitra tanteraka ary hitarika famoizam-po izany.

Ny komisiona fikarohana momba ny fahasalaman’ny tanora Observatoara momba ny Tanora