Antson’ireo tanora nampiofanin’ny Base Toliara tany Kenya


Araka ny hita tamin’ny haino-vaky-jery omaly dia nanao antso ireo tanora 24 mianadahy, izay nalefan’ny Base Toliara niofana momba ny teknika mahakasika ny asa atao amin’ny fitrandrahana ny fasimaintsy ao Toliary. Tsiahivina fa ny Alatsinainy 9 Septambra 2019 izy 25 mianadahy no tonga tany Kenya ary efa tafaverina.

Mbola tsy voaray miasa moa izy ireo satria andalana fifandresen-dahatra ny fanjakàna sy ny orin’asa ary ireo tsy mankasitraka ny tetik’asa. Antony ara-tontolo iainana no fototry ny adihevitra.


Nihaona t@n’ny loholona ireo tanora ireo omaly ary manao antso amin’ny filoha ihany koa.

Ny fandefasana ireo tanora hiofana sy ireo hetsika sosialy maro dia anisan’ny paik’ady entin’ny Base Toliary mandresy lahatra ny amin’ny maha mety ny fitrandrahana ataony.Etsy andaniny anefa ny fanjakàna dia mbola tsy nandray fanapahan-kevitra satria mbola misy ilay fanohanana ataon’ny mponina sasany ka mila fandresen-dahatra.

Ireto tanora ireto moa resy lahatra fa ny fisokafan’ny orin’asa no vaha olany.

Lanto RATSIDA

Laisser un commentaire