POLITIKA MOMBA NY TANORA: FIANARANA, FANDRAHARAHANA ANY FINLANDE

Avy amin’i Mateouri Johansson

Mateouti Johansson
masoivohon’ny Observatoara momba ny Tanora any Finlande

Isaorana i Mateouri Johansson mizara amintsika mahakasika ny fanohanana ny TANORA any Finlande.

FAMPINDRAMAM-BOLA HO AN’NY FIANARANA

« Ho an’ny olon-dehibe mianatra (+18 taona) dia ny afaka mindram-bola @ banky izy ho fanampiana azy. Arakaraka ny faharetan’ny fianarana io fa eo @ 500€/ volana no omeny. Afaka misafidy ianao na ho raisina isam-bolana na atao isaky ny 3 volana ny fandraisana ny vola.Rehefa vita ny fianarana ka manomboka miasa sy stable tsara ilay olona izay ny banky vao manomboka maka tsikelikely ny vola @ ilay olona nindram-bola tao aminy.Raha sanatria ka narary ilay olona taorian’ny fianarana nataony ka tsy afaka ny hiasa noho io aretina na voina nahazo azy ka voanarina ara-dalana dia tsy mamerina ny vola nindramina intsony ilay olona.

FANOHANANA NY TANORA HANDRAHARAHA ( entrepreunariat)

Raha nisy fiofanana ara-kasa natao dia afaka mamatsy vola ihany koa ny fanjakana hananganana ny orin’asa tianao atao ( coiffure, boutique, salon d’été, salon de massage, cabinet de kinésithérapie, restaurant, garage, … Bdb), rehefa voatsangana zay dia manana 3 taona ianao hiasanao ao tsy misy famerenam-bola. Afaka 3 taona vao manomboka mamerina…Raha sanatria anefa ka faillite ianao satria tena tsy nandeha mihintsy ny asa dia tsy misy vola haverinao… fa dia efa milamina kosa anefa ianao @ zay satria raha misy « mauvaise foi » dia tena atao zareo anaty liste noir ianao zay, ary tena sahirana vao ho tafavoaka raha ho tafavoaka ihany… fa ny olona moa tsy dia betsaka no tratra otrizay

Ireo fepetra:

– Monina sy voamarina tsara, raha mpifindra monina dia manana titre de séjour tsy latsaka ny 5 taona

– Nanaraka lalam-piofanana taty Finlande, na mpianatra- Tsy manana olana @ polisy

Laisser un commentaire